Titus 2

1Fa ianao kosa, milazà izay mifanaraka amin’ny fampianarana marina. 2Ireo lehilahy efa nahazo taona dia tsy maintsy mahay mitondra tena, maotina, mahonon-tena, matanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, ary amin’ny faharetana.

3Toy izany koa ireo vehivavy efa nahazo taona dia tokony hampiseho hatrany ny tenan’izy ireo ho tsara fitondran-tena, fa tsy mpifosa. Tsy tokony ho andevozin’ny divay be izy ireo. Tokony hampianatra izay tsara izy ireo 4mba hampiofanana ireo vehivavy tanora ho tena tia ny vady aman-janany manokana. 5Tokony hampianatra azy ireo hahonon-tena, hadio, hikarakara tokantrano tsara, ary hankatoa ny vadiny izy ireo. Tokony hanao izany zavatra rehetra izany izy ireo mba tsy ho voaheso ny Tenin’Andriamanitra.

6Tahaka izany, ampaherezo ireo lehilahy mbola tanora mba hahonon-tena. 7Amin’ny fomba rehetra dia asehoy ny tenanao ho modelin’ireo asa tsara; ary rehefa mampianatra ianao, dia manehoa fahitsiana sy fahamendrehana. 8Milazà hafatra salama sy tsy misy tsiny, mba ho menatra izay manohitra na iza na iza, satria tsy manana na inona na inona ratsy ho lazaina momba antsika izy.

9Ireo mpanompo dia tokony hankatoa ny tompony amin’ny zava-drehetra. Hanao izay sitrapony fa tsy hifamaly aminy. 10Tsy tokony hanganlangalatra izy ireo. Fa kosa, tokony haneho ny finoana tsara rehetra izy ireo, mba hampahamendrika ny fampianarantsika momba an’Andriamanitra mpamonjy antsika amin’ny lafiny rehetra.

11Fa efa niseho tamin’ny olon-drehetra ny fahasoavan’Andriamanitra. 12Mampianatra antsika handà ny toetra tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao izany. Mampianatra antsika hiaina am-pihononana, am-pahamarinana, ary araka ny lalan’Andriamanitra amin’izao vanim-potoana izao izany 13eo am-piandrasantsika fatratra izay handraisantsika ny fanantenana mahafinaritra, ny fisehoan’ny voninahitry ny Andriamanintsika lehibe sy Mpamonjy Jesosy Kristy.

14Jesosy dia nanolotra ny tenany ho antsika mba hanavotra antsika hiala amin’ny tsy fanarahan-dalàna rehetra sy hanadiovana, ho an’ny tenany, olona iray manokana izay tena mazoto hanao asa tsara.

Ambarao ary ento ampaherezina ireo zavatra ireo. Manomeza fanitsiana amin’ny fahefana rehetra. Aza avela hisy olona hanao tsinontsinona anao.

15

Copyright information for PltULB